Blaogin'i riani

DISO LALANA (fizarana faharoa)
2010/04/09,15:41

Alahady ny andro, miomana handeha hivavaka aho no maneno ny telephone.

- Iza izany ry dada? hoy aho nanontany sao mba iray amin’izy telo vavy no niantsoa ahy fa efa ela mantsy izahay no tsy nifampiantso.

 

- I Mino ilay naman-dry mpiara-manao basket aminareo iny io, mivaly hono ny bac. Handeha hivavaka ihany ve in-dry sa hitady gazety?

- Marina hoe ry dada! Andao andeha hitady gazety ka!

- Ianareo mianaka koa mampiomehy! Hoy I neny, inona ny fivavahana hiditra amin’ny loha eo fa andana mijery gazety haingana sao lany eo ka tsy maintsy hiakatra eny amin’ny office du bac vao hahita ny valiny.

- Andao dada a!

- Lasa ary izahay mianaka e! ary I neny ve tsy hiaraka aminay?

- Andehana ianareo fa lasa izy dahy irery indray no hivavaka, aleo aho hanatitra an-dry zareo any na tsy misy hiditra ny lohako ary izay holazain’I pasitera ao androany. Ndao ary inareo mianaka e!

 

Dia lasa izaho sy I dada, mangovitra mihitsy aho izany! Ny hatairako naheno ny vaovao koa moa dia tsy mba niantso ireo namako akory aho fa avy dia lasa.

 

- Dada a! manana télécarte angaha I dada?

- Hataon-dry inona?

- Hiantso ireo namako aho fa tena tsy mba nampilaza an-dry zareo akory aho fa avy dia lasa anie e!

- Andraso retsy rehefa eny an-tsena mividy a! tsy maintsy misy mpivarotra any izao fa izaho aloha tena tsy nitondra porte-feuille akory anie e! soa ihany fa misy vola aty ampaosiko.

 

Nony tonga teo an-tsena, io eny fa efa itangoronan’ny olona ny mpivarotra gazety.

 

 

 

 

 

 

-

 

Andana haingana dada misisika a! fa omeo vola aloha izaho hividianako an’ilay télécarte an!

- Iny ary e! lasa aho, hidio tsara ny fiara an!

- Ieny tompoko, misaotra, dia tonga dia jereo dada an! Izaho izany tsy te hijery.

- hahaha, indry ity koa mapiomehy! Irahantsika mijery eo e! lasa aho.

- Allo! Manao ahoana tompoko ô! Afaka mahazo an’I Mamy ve azafady tompoko?

- Tsy eo izy tompoko fa lasa nivavaka, iza kay io azafady? Afaka mametraka hafatra ianao tompoko dia ampitaiko aminy.

- I Rohy ihany ity, namany mpiara-mianatra aminy. Mba ilazao anie izy azafady hoe efa mivaly ny bac e! mbola tsy nahita gazety aho fa vao hividy.

- Hay v I Rohy io e! hafa be ny feo-ndry amin’ny telephone, sa voan’ny sery? Maman’i Mamy ihany akia ito a!

- Hay ve e! izaho koa ary tsy nahalala hoe ianao io! Ieny, somary voavoan’ny sery ihany aloha aho e! izay ny vaovao iantsoako azy e!

- Misaotra akia a! izao dia izao ihany aho dia handeha hijery gazety fa tsy hiandry an-dry zareo avy mivavaka. Enga anie akia ka mba ho ao daholo ny anaranareo mpinamana.

- Enga anie marina! Na miaraka ao na miaraka tsy ao fa tsy hisy haningana, sady niomehy aho.

- Aiza kosa akia dia tsy ho ao? Angaha dia tena sarotra be izy tao? I Mamy mantsy tsy mba nety niteny mihitsy fa dia hoe “eo ho eo ihany” foana.

- Tena teo ho eo ihany ka! Misy hay dia misy tsy hay. Sady miankina amin’ny mpitsara ihany koa anie ilay izy e!

- Marina aloha izay

- Avelako aloha ianao maman’I Mamy fa mbola hiantso ireo namana sasany koa aho! Veloma tompoko!

- Veloma akia Rohy a! dia mampamangy amin’I dada sy maman-dry any!

- Iô, ampitaiko ny hafatra, mampamangy ao koa ô!

... 

- Haingana indry e! tsy maika hamaky ny anaran-dry ve indry? Hoy I dada sady nitsikitsiky be izy.

- Marina ve izany ry dada?

- Avia haingana aloha horohako izany zanako izany! Felicitation aki a!

- Youpi! Faly be aho dada a! tena faly

- Anadao haingana hody hilaza ny vaovao any an-trano

- Tsy misy olona anie ao ry dada fa lasa any ampiangonana I neny sy izy dahy e!

- Hay tokoa moa, fa na izany ary andao hody fa mbola hikarakara sakafo tsika mianaka, ataontsika matsiro tsara ny sakafo androany

- Efa masaka anie ny laoka ry dada e!

- Ka afaka ampiana zavatra hafa anie ry Rohy fa tsy vary sy laoka ihany akory no sakafo e!

- Andao ary, dia izay tiako izany an!

- Eny e! izay tiandry, andao hiantsena ary fa efa aty ihany.

Afaka daholo izahy mpianamana, ny tao ampianarana ihany koa maro ny afaka, 78,25% ny an’ny kilasy misy ahy. Betsaka ny ankizy no nanao arrosage, izaho kosa, ny fianarana hataoko indray no nanahirana ny lohako. Ny tena tiako hatrizay aloha dia Médecine e! satria  I dada dokotera mpandidy dia tiako ny mba ho hitovy aminy, mahafinaritra ahy mantsy ny fitantarany ny zava-miseho any ampiasanany any. Saingy ny indrokely dia lava be ny fianarana indrindra raha te hanao specialisation. Ny informatique koa anefa tena manintona ahy, sady tena ilaina amin’izao fotoana izao, hany ka mizara be ihany ny lohako.  Ny torohevitr’I dada sy neny aloha dia samy atao daholo ny concours rehetra dia afaka misafidy tsara izay tiana avy eo.

Dia natao daholo ny dossier rehetra, betsaka ny concours natao fa tsy nisy afaka daholo! Ny médecine mbola tsy mivaly, ny informatique koa liste d’attente hono aho.

 

- Lalina ity marina! Afaka bac vao sahirana!

- Inona ny mampiteny irery an-dry eo akia? Hoy I neny.

- Afaka bac indray ho aho izaho ity vao sahirana e! ilay médecine tsy mety mivaly mihitsy no manahirana ny saiko ry neny a!

- eee, izay mahasoa akia ataon’Andriamanitra a! ny any amin’ny ENI Fianarantsoa anie in-dry no liste d’attente fa ny eny amin’ny ISPM efa afaka e! ary ovina marina moa ny date farany hanaovana inscription eny?

- Amin’ny zoma zao! Izany anie no mahavaky ny lohako eo io ry neny e!

- Hay ve efa akaiky kely e! maninona raha miditra eny e! dia rehefa mahavita BTS indray miverina manao concours any amin’ny ENI?

- Ka ny ahy anie ho aho ny médicine no tena tiako e! tsy tafiditra médecine aho vao manao informatique.

- Ka lasa sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny aroa anie akia in-dry e! raha mbola tsy mivaly ny médecine amin’ny alakamisy ka raha tsy misy vaovao koa avy any Fianarantsoa dia mandehana makany amin’ny ISPM fa very taona eo fotsiny indry! Tsy hitandry ny nahazo ny zokin-dry teo iny, be fisalasalana loatra dia lasa very taona fotsiny.

- Hiandry zoma mihitsy aho ry neny vao ho eny Ankatso ka! Dia raha tsy mivoaka ny liste dia tohizako makeny amin’ny ISPM ny lalako.

- Izay ary atao e! mety izay.

 

Zoma ny andro, nankeny Ankatso aho, io eny fa hitako misy zavatra itangoronan’ny olona eo amin’ny scolarité-n’ny Faculté de Médecine.

 

- Enga anie ka liste ny raisina première année io! Hoy aho niteny irery

- Salut ndry, ary toa miteny irery izato izy! Hoy I Aina.

- Salut akia! Mampiteny irery mihitsy akia ilay afaka bac a! tsy hita indray izay hatao! Hahaha

- Hita akia! Izaho izao raha tsy ao dia hanao gestion fa ny ao no efa mivaly. Tsy tiako loatra anefa izany fa médecine no tena tiako.

- Izaho koa akia raha tsy ato dia eny amin’ny ISPM a! hanao informatique aho. Ary I Soa sy Mamy hono akia hanao inona?

- Nametraka dossier ato koa ry zareo. I Mamy moa efa tsy maintsy tafiditra satria izy nahazo mention assez-bien, fa isika tsy nahazo afa-tsy passable ireto anie no tena sahirana e! I Soa hono nanao concours Agro koa nefa mbola any  amin’ny novembre any vao mivaly.

- Hay! Andao ary hijery ny anaran-tsika isika fa efa mba malaladalaka izy izany.

 

Samy tao daholo izahay efa-bavy! Dia miandry ny fidirana izany e! 

 

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype